Vilihazo: Namely ny avandra tamin’ny fokontany sasany
Namely fokontany maromaro tao amin’ny kaominina Vilihazo ny avandra tamin’ny farany herinandro teo. Nisy ireo fokontany tena voa mafy tamin’izany, raha ny voalaza.
» Anisan’ny tranga voajanahary tsy mahazatra loatra ny mahita avandra mirotsaka be amin’ny fotoana tahaka izao. Tahaka ny loza na toy ny nisy nandika fady no antony mahatonga azy ho betsaka ary fokontany tety amin’ny manodidina tratrany avokoa! Hoy i Andry, mponina ao Vilihazo.
Tsy voafaritra mazava, fa tahaka ny tranga voajanahary rehetra ihany no mahatonga ny filatsahan’ny avandra amin’ny toerana na faritra iray. Misy kosa anefa ny mahatonga azy ireny dia noho ny fanotana fady ao an-toerana, ity farany izay mbola mipetraka, indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra.
Manitra R.
