Ankadikely Ilafy: Tsy mbola nisy fandraisana an-tanana ireo fako miparitaka
Anisan’ny mampitaraina ny mponina ao Ankadikely Ilafy ny mahakasika ny fivangoan’ny fako ao an-toerana. Hatramin’izao dia tsy mbola nisy ny fandraisana an-tanana na ny fanalana ireo fako mivangongo, raha ny voalaza.
« Efa fotoana maro no nanaovana ny antso avo tamin’ny tomponandraikitra mahakasika ny fivangoan’ny fako teto fa hatreto tsy mbola nisy ny fandraisana an-tanana na ny fanalana izany » hoy i Haja, mponina ao Ankadikely Ilafy.
» Anisan’ny olana lehibe hateraky ny fako aloha ny fofona, tena mila tsy zaka intsony rehefa mandalo amin’ny arabe eo. Ankoatra izao tena mivangongo loatra ny fako ka efa mihamahazo ny arabe ka tena mila fandraisana fepetra haingana » hoy i Njara, mpivarotra.
Manome endrika ratsy ny tanàna ny fako ary miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina rehefa mitombo ny fotoana. Mila fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra araka izany, ary fijerena ifotony ny fanalana ireo fako ao an-toerana.
Manitra R.
