Alasora : Mandroso araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny EPP Alasora
Ao anatin’ny fanamboarana tanteraka ny EPP Alasora ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Mandroso araka ny niheverana azy ny asa fanamboarana, araka ny voalaza ary ezahana ny hahavitan’izany asa fanamboarana izany foto-drafitr’asa izany mialohan’ny faran’ity taona ity.
« Ity EPP Alasora ity dia efa hatrany amin’ny taona 1906 tany no nitsangana. Anisan’ny vakoka ary manamarika olona maro eto amin’ny kaominina izy ka rariny raha asiana fanavaozana sy fikarakarana » hoy i Koloina, mponina ao Alasora.
« Mbola maro ireo foto-drafitr’asa mila fanavaozana sy jerena akaiky eny anivon’ireo fokontany manerana ny kaominina, tsy tokony hatao ambanin’javatra ireo indrindra fa ny sekoly sy ny fanatanjahan-tena izay fototra amin’ny fanabeazana » hoy i Jean, mpanety.
Raha tsiahivina, ny kaominina Alasora sy ny AFF ary ny ny Fondation Axian no miara-miasa, mifanohana amin’ny fanamboarana ity sekoly ity, izay efa tsy nisy fikarakarana an-taonany maro.
Manitra Ramanantsoa
