ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lavon’ny FBI ilay lehilahy nandrahona ny filoha Joe Biden

Lehilahy iray no lavon’ny zandary nandritra ny fisamborana azy tao Provo, ao atsimon’i Salt Lake City. Marihina fa efa am-bolana maromaro io lehilahy io narahin’ny manam-pahefana maso manoloana ny fandrahonana ho faty nataony tamin’ny filoha Joe Biden.

Tsy nanome fanazavana momba ilay lehilahy io ireo manam-pahefana saingy ny hita tao amin’ny fitarainana avy amin’ny mpampanoa lalàna federaly ao Utah fa Craig Robertson no anaran’io lehilahy io ary manodidina ny 70 taona. Voalaza ihany koa fa mpanohana amahafatra-po ny filoha Donald Trump ny tenany.

Marihina fa norahonan’io lehilahy io ihany koa ny filoha lefitra, Kamala Harris, ny minisitry ny fitsarana Merrick Garland, ary ny mpampanoa lalàna Alvin Bragg. Nandefa sary basy maromaro tamin’ny tambajotran-tserasera izy taorian’izany.

Laisser un commentaire