SocialTatitra

France: Maherin’ny 430km ny fitohanana tao amin’ny araben’i Ile-de-France

Namely ny faritra sasany tao France, omaly marainan’ny talata ny fitohanan’ny fiara. Maro ireo nisafidy ny hamela ny fiara tao anatin’izany. Manoloana ny fisian’ireo karazana fihetsiketsehana izay mibahana ny fifamoivoizana any an-toerana, dia teo ihany koa ny fitokonana ataon’ireo mpitatitra an-dalamby. Nanomboka tamin’ny 7ora sy 40 minitra (ora tany an-toerana) dia nahatratra 290 kilometatra izany fitohanana izany. Vetivety taorian’izay anefa, dia tafakatra hatramin’ny 430km izany fitohanana izany. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalana ka nampikatso ny fivezivezena ary teo ihany koa ny fiverenan’ireo mpampiasa lalana indray taorian’ny fankalazana ny fetin’ny pantekosta.

Laisser un commentaire