An’i Madagasikara ny Nosy Manodidina.
Mila mijoro sy tsy manaiky lembenana ny fanjakana Malagasy manoloana ny fitakiana ireo nosy manodidina, dia i Nosy Sambatra, i Nosy Kely, i Nosy Bedimaky ary i Nosy Ampela. Ekena fa efa maro ny dingana vita ho fikatsahana vahaolana amin’ny hamerenana indray ireo nosy manodinina ireo ho an’i Madagasikara. Nanomboka tamin’ny fahazoana ny fahaleovan-tena Malagasy izany. Efa nisy ihany koa ny fotoana nampivondronana ny olom-pirenena tsy vaky volo sy ny hery velona tsy ankanavaka mba handinika, hikaon-doha, ny amin’ny ho avin’ireo Nosy Malagasy ireo. Ny anarana Malagasy izay efa hananan’ireo nosy ireo no mampisongadina fa efa nisy soritra Malagasy nonina sy nivelona teo nandritra ny taona maro. Ankehitriny, hita fa mbola tsy to tanteraka ny fiandrianam-pirenena ary mbola tsy tafaverina tanteraka ny fahaleovantenan’i Madagasikara raha tsy mipetraka ny maha tompon’ireo nosy ireo an’ny Malagasy. Ny firenena mikambana izay nilaza ny taona 1979 fa, tokony hatao vaindohan-draharaha ny famerenana ny fiandrianan’i Madagasikara amin’ireo Nosy Malagasy ireo (https://undocs.org/fr/A/RES/34/91). Na eo aza ny fitsidihana nataon’ny masivohon’ny France sy filohan’ny loholona Herimanana Razafimahefa, tsy ny fiaraha- mitantana no vahaolana fa ny famerenana amin’ny maha- Malagasy azy. Mbola hisy ny dinika manokana ho amin’ireo teboka iraisan’ny roa tonta sy ireo teboka tsy hankasitrahan’i Madagasikara. Na teo aza nefa ny tsy fifankahazoan-kevitra, maneho hatrany ny fiara-miasa amin’ny firenena Malagasy amin’ny ady amin’ny coronavirus ny frantsay.
https://undocs.org/fr/A/RES/34/91
Fanilo Rarivoarilala
