SocialTsidika

Antsohihy : Mbola mitohy foana ny rotsak’orana

Mbola mitoetra tanteraka eto amintsika ny oram-pahavaratra amin’ity faran’ny herinandro ity. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro, ary hisy oram-baratra aza ao Antsohihy.

« Eo anelanelan’ny 23 janoary 2022 hatramin’ny faha 26 janoary 2022 dia hisy andro ratsy izay hitondra orana betsaka ho an’i faritra ato amin’ny tapany avaratry ny Nosy » hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra toetr’andro. « Mitohy hatrany ny rotsak’orana eto Antsohihy. Hisy aza ny fiforonan’ny rivo-doza ny andro sabotsy 22 janoary ho avy izao. Mila mitandrina hatrany isika vahoaka eto Antsohihy noho ny mety hiakaran’ny renirano sy ny tany hihotsaka » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Antsohihy.

« Tena ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tokoa isika izao. Hirariana mba samy ho velon’aina hatrany avokoa » hoy i Nianjara Ratovohasina, mponina ao Antsohihy. I Xangy no anaran’ny rivo-doza ho amin’ity taom-pahavaratra ity handalo amin’iny tapany avaratra iny. Tsara raha miomana sahady mba tsy ho tapohin’ny loza.  

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire