Antoko HVM:Manomana sahady ny fifidiananana ho filoham-pirenena
Raha tsy re firy tato ho ato ny antoko HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) tamin’ny tranga maro samihafa niseho teto amin’ny Firenena.Dia efa manatanteraka fitetezam-paritra ireo mpikambana sy olobe ao aminy nandritra ny roa herinandro lasa izay.Tao aorian’ Toliara, Toamasina sy Fénérive-Est, mivonona ny handeha hitety ny faritr’avaratra Madagasikara izy ireo amin’izao. Nandritra ny fifampidinihana nataon’izy ireo tany Fénérive Est, nambaran’izy ireo fa mijoro hatrany ny Antoko HVM hanohitra ny tsy fahaiza mitantana ary maneho ny fahavononany hiatrika ireo fifidianana rehetra eto amin’ny firenena.Fanampin’izay takian’izy ireo ihany koa ny hanadiovana ny lisim-pifidianana sy ny hanovana ny lalàna mifehy izany. « Ny tanjona amin’izao fitetezam-paritra izao ny hamondronana sy hampahavitrika ireo mpomba sy mpikambana ao amin’ ny antoko HVM manerana ny faritra 22 » hoy i Alain Désiré Rasambamy, mpikambana ao amin’ny antoko. Notsiahiviny tamin’ny fitetezana natao ny maha zava-dehibe ny demokrasia. Milaza ny efa vonona sahady izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023. Kandidà iray ihany no mety ho hatolotra amin’izany fa ny Kongresy nasionaly ihany no afaka manapaka izany amin’ny volana novambra io.
Sitraka Rajaonarivony
