SocialTsidika

Fiakaran’ny vidin’entana ao Toliara :Mitaraina ireo mponina

Nahitana fiakarany ny vidin’ny vovontsavony extra propre teny amin’ireo mpivarotra ao Toliara ny Talata 10 Aogositra 2021. Vidiana amin’ny vidiny 250Ar hatramin’ny 300Ar ny vovontsavony extra propre milanja 30g any Toliara.Nahitana fiakarany manodidina ny 60% izany teny amin’ireo mpivarotra manodidina an’i Betsingilo, Antsihanaka, Mangily. 

Tsy mahalala akory ny antony mahatonga izany fiakaran’ny vidin’ny vovontsavony ny mpivarotra : « 32 600 Ariary no hakanay ny baoritra extra propre iray, raha 27 500Ariary izy teo aloha.Lazain’ny mpamongady fa hatrany am-potony any amin’ny fanafaran’entana no mampiakatra ny vidiny » hoy i Rova, mpivarotra antsinjarany. Ny vovontsavony « Extra propre » ihany moa no nahitana izany fiakarana izany raha mbola tsy nihetsika tamin’ny vidiny taloha ireo vovontsavony hafa.Ny fisian’ny aretina valanaretina covid-19, ny fiovaovan’ny sandan’ny ariary no antony mahatonga ny fiakarana. Ankoatran’ny fiakaran’ny vidin’ny vovonstsavony, ahitana fiakarana ihany koa ireo entana ilaina andavanandro na ny PPN. Ny vary stock hamidy 650Ar ny kapoaka, ny vary gasy eto an-toerana 800Ar, ary ny vary nafarana 750Ar ny kapoaka.

Nahitana izany fiakarana izany ihany koa ny menaka, izay jifaina amin’ny vidiny 8800Ar izany raha 6 500Ariary teo aloha. « Rehefa izay no vidin’entana tsy maintsy hiafiana eo. Tsy maintsy mividy satria mamelona ankohonana » hoy ny renim-pianakaviana iray naneho hevitra. Mbola tsy nahitana fidinana izany vidin’entana izany hatramin’ny volana febroary teo, na dia efa nanafatra vary 40 000 taonina ary ny Foibe rejionaly ny indostria, ny varotra sy ny asan-tanan a(Direction Régionale de l’industrie, du commerce et de l’artisanat (DRICA)) ny 20 jolay 2021 lasa teo.

Manao antso ny Ministera ny Varotra ny solombavambahoaka lany tao amin’ny distrika an’Ampanihy, Marco Tsaradia mba hijery ny vidin-entana ao an-toerana. 

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire