Saiholafy mpitsoka mozika : Ahitana zandary vehivavy mpitsoka mozika
Zandary vavy efatra no isan’ireo mpitsoka mozika izay mandrafitra ny eo anivon’ny Saiholafy mpitsoka mozika ny zandarimariam-pirenena na « peloton musique ».
Nahavariana ny maro ny fahaizan’ireto zandary vavy efatra mpitsoka mozika ireto raha nitsoka mozika tamin’ny lanonana fitokanana fotodrafitrasa nomen’ny praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny Escadron porté 1 teny Mahazoarivo ny 7 aogositra lasa teo. Nanao fifanianana tao amin’ny zandarimariam-pirenena izy ireto vao tafiditra ho isan’ireo mpiofana mpitsoka mozika, vehivavy sady renim-pianakaviana no zandary matihanana izy efa mirahavavy ireto.
Nahafianaritra hoy ireo izay nanatrika ny lanonana teny Mahazoarivo ny sabotsy lasa teo ny filalaovan’izy ireto ny mozika izay tsofin’izy ireto aty re mihitsy hoe efa ampy traikefa tokoa izy efa mirahavavy ireto no mahay mampiaraka ny zava-manenony. Ny fahaizana mandamina ny fandaharam-potoana sy ny fananana faharetana kosa no tena ataon’izy ireo laharam-pahamehana mba hirindran’ny asa sy ny fiainam-pianakaviana indrindra fa ny fitsofana mozika raha ny nambaran’izy ireo ho antoky ny fahombiazan’ireo amin’ny asa aman’andraikiny.
Tena maneho ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy ny zavatra toy intony, tsy voatery ny lehilahy ihany no afaka ny hitsoka mozika fa afaka manao izany koa ny vehivavy ankehitriny. Taratry ny mira lenta ny fahitana fa misy vehivavy mahavita ny vitan’ny lehilahy amin’izao fotoana izao ary azon’izy ireo tsara ny manao ny asa izay mifanaraka amin’ny tian’izy ireo. Efa mihatsara tsikelikely ny fotopisainana misy eto amintsika ka ity fisian’ny vehivavy mpitsoka mozika ity dia efa diabe mankany amin’ny mira lenta.
Anja Raharimalala
