SocialTsidika

Mbola tsy mety fay ihany ny mpanondrana vehivavy an-tsokosoko.

Mbola maro ankehitriny ireo vehivavy eto Madagasikara no manana heritreritra ny hiasa any ivelany. Anton’izany ny tsy fisian’ny asa eto amin’ny firenena ankehitriny, izay mahatonga azy ireo hitady lalàna hafa. Maro ny vehivavy efa miasa any amin’ireo firenena marobe ankehitriny. Efa an-taonany maro anefa no efa naitana tranga nampihorin-koditra ny maro vokatry ny asa any ivelany. Ekena tokoa fa misy amin’izy ireo no miasa tsara sy tahaka ny olona rehetra ihany ny fiainany. Saingy ny 70% amin’izy ireo no ahitana tranga afahafaha sy miteraka vokatra ratsy maro. Vao tsy ela akory isika no nahita namana mpiray tanindrazana nodimandry tany an-toerana, nohon’ny tsy fisian’ny taratasy mazava avy eto Madagasikara. Tsiahivina fa tamin’ny fomba tsy mifanaraka amin’ny maha Malagasy akory ny fanomezam-boninahitra farany azy nohon’ny fahafahatesany rehefa nandositra ny polisy tany an-toerana. Tranga iray tena nanaitra ny sain’ny maro iny, fa tsy vitsy ihany koa ireo mitondra takaitra vokatry ny ratra sy ny vono mahazo azy, ao ny very saina rehefa tsy maty. Eto Madagasikara anefa mbola mitohy ihany ny olona liana amin’ny fandehanana makany na eo aza ireo tranga marobe hitantsika avy any. Misy mihitsy aza ny tambazotra mpanondrana vehivavy an-tsokosoko izay maka vola amin’ireo hiasa hatrany amin’ny 2 tapitr’isa ariary. Ny taratasy hoentina miainga eto anefa tsy ara-dalàna akory, ary mody alefa atsy amin’ny nosy Comore aloha, ary ao no manainga ho any Arabie Saoudite sy Koweit. Tsy mahagaga raha misy ny fanenjehana ataon’ny polisy any an-toerana rehefa tonga any nohon’ny tsy maha ara-dalana ny taratasy. Soa ihany fa sarona ny ampahany amin’ireo mpikarakara tsy ara-dalàna nohon’ny ezaka hataon’ny mpitandro filaminana izay saika mahare fitarainana isan’andro isan’andro. Mila tohizana ny hetsika amin’ny famongorana ny foiben’itony mpandefa vehivavy hiasa tsy ara-dalàna itony mba hisorohana amin’ny voka-dratsy hoentiny. 

Laisser un commentaire