SocialTsidika

Fa inona no andrasan’ny Malagasy vao hanaja ny fepetra ara-pahasalamana isika ?

Miandahy miambavy ireo olona hita eny an-dalambe rehetra eny mbola tsy manaraka foana ireo fepetra ara-pahasalamana. Eny fa na ireo olona izay efa sokajiana ho marefo aza moa mbola misy manao tandrevaka amin’ny fiarovana ny ainy. Ohatra velona amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina anefa ny fahafenoan’ireo toerana mpandray marary marobe, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Ankoatra ny eto amin’ny faritra Analamanga, tsikaritra ho maro ihany koa ireo tsy manara-dalàna any amin’ny faritra atsinanana, ao Toamasina. Voatery mandray fepetra mahakasika izany ny mpitandro filaminana. Voamarina mantsy fa misy amin’ireo trano fisakafoana sy ny mpivarotra hafa no mbola mitohy manokatra ny tsenany amin’ny ora efa tsy tokony hanaovana izany. Voatery nanakatona azy ireny ny mpitandro ny filaminana vokatry izany. Tsy vitsy ihany koa ireo olona maro mbola tazana eny amin’ny arabe amin’ny fotoanan’ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Ny faritra atsinanana anefa ankehitriny no tsikaritra fa manaraka ny faritra Analamanga amin’ny isa voalohany eo amin’ny tahan’ny olona mitondra ny valan’aretina. Heritaona tahaka izao ihany koa raha tsiahivina, ivon’ny valan’aretina tao Toamasina. Ny sazy hatolotry ny mpitandro’ny filaminana sy ny manam-pahefana ve no tsy vaovao amitsika intsony ka mahatonga antsika minia tsy manaraka ny fepetra?. Mba hisorohana ami’nny fiakaran’ny tahan’ny marary be loatra, izay miteraka voka-dratsy maro eo amin’ny lafiny rehetra. Entanina hatrany isika amin’ny fanajana ireo fepetra sakana. Manoloana ireo fihoaram-pefy sy fanaovana fanahiniana kosa, tsy tokony hijanona hatreo amin’ny famafana lalàna sy ny fanaovana asa hiombonana ny sazy.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire