ActualitésTsidika

 Ankadikely: Nisy ny fiarahana nentina nanombohana ny taom-pianarana vaovao

Ny zoma lasa teo no nanatanterahina, tao amin’ny FJKM Ankadikely ny fotoam-pivavahana izay nitondrana am-bavaka sy nitsofan-drano ny taom-pianarana vaovao 2022-2023, ho an’ny CEG Ankadikely. Natao ihany koa izany fotoana izany mba hanamarihana ny faha 35 taonan’ny sekoly.

“Hisaorana feno ireo tomponandraikitra maro misahana ny fampianarana eto avaradrano ary ny avy ao amin’ny kaominina niara-nankalaza izany fotoana izany ary mankahery ireo mpianatra, ireo ray aman-dreny maro be, mpanabe, mpampianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo, tsy mikely soroka amin’ny fampianarana ny zaza malagasy “ hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

“Hisy ny ezaka amin’ny fanomezan-tanana sy ny fanampiana ny sekoly ho amin’ny fanatsaràna hatrany ary hanao izany ho vaindohan-draharaha” hoy ny ben’ny tanàna.

Anisan’ny hery lehibe ho an’ny mpianatra tokoa ny fanohanana avy amin’ny tomponan’andraikitra toa izany, na eo amin’ny lafin’ny ara-panahy izany na eo amin’ny lafin’ny tan-tsoroka. Mahatsiaro voatsimbina manokana ireo mpianatra ary mampisy ezaka avy any anaty izany, izay hirariana hoity vokatra tsara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire