Antoko Maitso : Mandiso ny Ministeran’ny Tontolo iainana
Nanao fanambarana ny Antoko Maitso fa miala andraikitra ny Ministera ny Tontolo iainana manoloana ny fidangan’ny arina fandrehitra.
Miaina ao anaty fijaliana ny vahoaka amin’izao vanim-potoana izao. Fiakaran’ny vidim-piainana, izany no re eraky Madagasikara, ary tsy mifidy saranga intsony ny fahatsapana izany fa na ireo izay atao hoe « manan-katao » aza tafiditra ao anatin’izany avokoa. Anisan’izany ny vidin’ny arina fandrehitra izay nisy fiakarana zato isan-jato tao anatin’ny herinandro.
Rehefa nanao fanambarana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana fa tsy avy amin’izy ireo no anton’izany fa fanararaotan’ireo tompon’andraikitra momban’ny ala sy ny sisa. Namaly avy hatrany i Ortenciah Rahaingoson, mpandrindra nasionalin’ny antoko Maitso. « Miala bala ny Ministra, ny Fanalamanga no voateniteny foana kanefa izy ireo mamboly fotsiny no asany fa tsy manana zo hampiakatra vidin’ny hazo izany ». Namoaka teny ny mba ialan’ny Ministra mihitsy aza izy ireo : « Rehefa tsy vitanareo ny asanareo dia miala, tsy mahamenatra ny mametra-pialana. Ny volam-bahoaka laninareo kanefa ianareo tsy miasa ho an’ny vahoaka » hoy hatrany ity mpandrindra nasionalin’ny antoko maitso ity.
Toa tsy tena mitady vahaolana ny fanjakana manoloana ny olana eto amin’ny firenena izay efa tena misy fiantraikany amin’ny hatrany any anatin’ny vilanin’ny vahoaka mihitsy. Manoro hevitra ny amin’ny fampiasana akora hafa afahana andrahoana sakafo izy ireo kanefa ny fahefa-mividy mihitsy no tsy misy: « …na gaz aza hono izao telo arivo ariary efa mahazo fa gaz indray ampiasaina. Raha ividianana gaz ny telo arivo aiza intsony no amidy laoka. Vahaolana no tokony jeren’ny Fanjakana fa tsy izany » hoy ny renim-pianakaviana iray.
Ao anatin’ny « resilience sanitaire Post-Covid » isika izao. Tokony hisy ny fitsinjovana ny vahoaka amin’ny lafiny rehetra. Azo lazaina ho « destabilisation sociale » izao trangan-javatra izao nohon’ny tsy fisian’ny filaminan-tsaina eo amin’ny vahoaka Malagasy intsony. Mila midina ifotony ireo tompon’andraikitra mamaha izao olana izao: mijery sy manao fanadihadiana ahitana ny porofo hoe inona no anton’izao fa tsy mangingina fotsiny ao an-trano ao. Aiza ho aiza ireo vava navoakan’ny Ministra isan-tsokajiny fa renay tokoa ary tonga ety ampoton-tsofinay ny fitarainanareo manoloana izao?
Tsangy Randriamampianina
