ActualitésTsidika

Fifaninanana hidirana ho mpianatra mpitsara: tanteraka ihany na dia nisy aza ny fanemorana

Raha tokony natao ny 29 jona ka hatramin’ny 02 jolay 2021 ny fifaninanana hidirana ho mpianatra mpitsara eto Madagasikara dia ny 24 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021 lasa teo izany vao tanteraka. Ahitana ivotoeram-panadinana avokoa ireo renivohi-paritany miisa enina eto Madagasikara. Raha ny eto Antananarivo Renivohitra dia tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) sy ny CEG Antanimbarinandriana no nandraisana an’ireo mpiadina. Dingana voalohany amin’ny fifaninanana no vita, izay tsy nahitana afa tsy adina an-tsoratra. Amin’ny dingana faharoa kosa, aorian’ny fivoahan’ny valin’ny fifaninanana vao hisy adina am-bava sy an-tsoratra.

Raha tsiahivina dia ny taona 2018 no nisy fifaninana farany hidirana ho mpianatra mpitsara teto amin’ny Nosy. Tsy tanteraka hatramin’ny farany anefa ny adina rehetra tokony natao tamin’izany fotoana izany ary indroa nahemotra ny fifaninanana noho ny trangana kolikoly. Tamin’ity taona ity kosa dia ny olana madinidinika teo amin’ny lafiny fikarakarana no nahatonga ny fanemorana ny datin’ny fifaninanana.

Hentitra ny Minisitry ny Fitsarana, Imbiky Herilaza, raha naneho ny heviny mahakasika ny trangana kolikoly nandritra ny fifaninanana notanterahina telo taona lasa izay. Nanamafy ny tenany fa tsy maintsy atao izay hampadio tanteraka ny fifaninanana hidirana ho mpitsara, ka izay tena mahay no ho afaka. Manoloana izany indrindra dia fantatra fa olom-baovao avokoa ankehitriny no mandrafitra ny Sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny Fitsarana (ENMG) etsy Tsaralalàna. Ireo mpiadina izay sendra anay teny amin’ny LMA Ampefiloha tamin’ny andro famaranana ny fifaninanana dia samy naneho ny hetahetany manoloana ny tokony hamongorana tanteraka ny kolikoly ao anaty fifaninanana tahaka izao.

Niavaka kely ny endrika nisehoan’ny fikarakarana ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity. Raha niara-dàlana foana hatramin’izay ny fandraisana mpianatra ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana dia natokana ho an’ireo izay maniry ny ho lasa mpitsara ilay fifaninanana vao notanterahina ny herinandro lasa teo. Manoloana an’ireo fanambarana sesilany nataon’ny Minisitra Imbika Herilaza ao amin’ny pejiny Facebook dia hita taratra fa misy tokoa ny finiavana ho famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny rafi-pitsarana eto Madagasikara. Tsy ity Ministera ity ihany anefa no tokony hanao ezaka tahaka izany fa ny sampandraharaham-panjakana rehetra mihitsy.

Bakary Amboninimaro

Laisser un commentaire