ActualitésTsidika

Vondrona paostaly iraisam-pirenena : Tafiditra ao amin’ny Filankevim-pitantanana i Madagasikara

Araka ny fanambarana navoakan’ny Ministry ny raharaham-bahiny ny Alakamisy 26 Aogositra 2021, voafidy ho mpikambana ao amin’ny Filankevim-pitantanan’ny vondrona paostaly iraisam-pirenena na Union Postale Universelle (UPU) i Madagasikara.

Ao anatin’ny fanavaozana ny mpitarika mandrafitra ny vondrona paostaly iraisam-pirenena (UPU) ny vondrona amin’izao ary tanterahina ao Abidjan, Côte d’Ivoire izany. Tanjona amin’izany fifidianana izany “ny hampamirapiratra an’i Madagasikara, izay mifanindran-dalana tanteraka amin’ny fanambin’ny diplomasia Malagasy.”hoy hatrany izany fanambarana izany. Ankilan’izay, hampamirapiratra an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika ara-diplaomatika, ara-toekarena ary ara-panatanjahantena. « Taratry ny diplomasia matanjaka ihany koa ny fandraisan’I Madagasikara izany andraikitra izany » hoy hatrany ny fanambarana. Niforona ny taona 1874 ity vondrona ity ary miisa 192 ireo firenena mikambana ao anatin’izany.

Io no seha-pifanakalozan-kevitra lehibe eo amin’ny mpisehatra amin’ny sehatry paostaly hahafahana mamorona tambanjotra iraisam-pirenena manaraka ny fandrosoana. Manamarika ny vondrona ao amin’ny tranokalan’izy ireo fa mitana andraikitra ho filan-kevitra sy fanelanelanana sy fifandraisana ary fanampiana ara-teknika ny Union Postale Universelle (UPU). Mametraka ny fitsipi-panakalozana eo amin’ny « courier » iraisam-pirenena mba hahafahana manatsara ny kalitaon’ny tolotra eo amin’ny fandefasana taratasy mankany ivelany. 

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire