ActualitésTsidika

Masindray : Nofon-ken’omby roa gony milanja 9kilao, saron’ny zandary

Nofon-ken’omby roa gony, milanja 90 kilao, nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka no saron’ny zandary avy amin’ny brigady Ankadinandriana, Poste avancé Masindray. Omby halatra avy any Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga izy io, araka ny voalaza.

« Ombin-tsarety no nisy nangalatra ka ny taolany sy ny taovany sisa no hita tany an-toerana. Lehilahy iray no voasambotra tao anatin’ity raharaha ity ary mbola mitohy ny fanadihadiana » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Mamely ny halatr’omby ary hanaovana antso avy amin’ny zandary fa dia mijaly ny mpiompy. Mandry tsy lavo loha ny alina noho ny asan-dahalo » hoy i Solo, mpiompy.

Tranga miseho ary mampitarina ireo mponina any amin’ireo kaominina ambanivohitra ity halatr’omby sy ny fanaovana « désosage » ity. Efa maro ireo lasibatra tao anatin’izany saingy tsy mbola ampy hatreto ny fandraisana fepetra ataon’ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire