Chili : Toerana miavaka ny « Cathédrale de Marbre »
Toerana iray miorina eo akaikin’ny « Chapelle de Marbre » ny « Cathédrale de Marbre ». Fiforonana « minérale de carbonate de calcium, » ao eo amoron’ny farihy Buenos Aires/General Carrera ao Chili izy io.
Ny fikahon’ny ranon’io farihy io ny sisin’ny toerana no niteraka lavaka ahafahana mitsidika ny ao anatin’ny toerana amin’ny alalan’ny sambo kely. Voadidina nosy kely maro antsoina hoe « Cathédrale de marbre », « Chapelle de Marbre » ary « Caverne de Marbre » ihany koa ny toerana izany manintona mpitsidika maro.
