ActualitésTatitra

France : Nihaiky i Lucas L. fa namono an’i Justine Vayrac

Tranga narahan’olona maro ny fanjavonan’i Justine Vayrac. Vehivavy 20 taona izy, manan-janaka lahikely 2 taona ary tsy hita nanom-boka ny alahady teo rehefa nivoaka alim-pandihizana iray.

Lehilahy mpamboly 21 taona antsoina hoe Lucas L. no voarohirohy voalohany tamin’ny tsy fahitana an’i Justine Vayrac. Nahitana rà nampiahiahy tao amin’ny fiarany sy tao an-tranony ary hita may tsy lavitrin’ny trano fonenany ny poketran’i Justine Vayrac. Rehefa natao kosa ny fanadihadiana dia niaiky heloka io tovolahy io ary nilaza fa nanolana sy namono ary nandevina ilay tovovavy.

Tsy vaovao tamin’ny manam-pahefana i Lucas L. Efa voasambotra izy ny taona 2020 nohon’ny fandoroana « hangar agricole ». Arakin’ireo olona akaiky io tovolahy io kosa nefa dia olona tsotra sy mahafinaritra izy.

Laisser un commentaire