Mayotte: Niavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena amin’ity taona ity
Toy ny mahazatra isa-taona dia tanterahana any Mamoudzou ny fetim-pirenena any Mayotte ary misy matso izay handraisan’ny tafika sy ny manam-boninahitra anjara mandritra izany. Ho amin’ity taona ity dia nisy ny matso nataon’ireo miaramila tany Tsararano hoy ny vaovao navoakan’ny Linfokwezi. Noho izany, nikatona ny lalana ho an’ny mpitondra fiara amin’iny RN2 makany Tsararano iny nandritra ny matso hoy ny ben’ny tanàna any an-toerana. Ny 13 jolay lasa teo dia nisy ny fampisehoana ny hariva hitsenana ny 14 jolay.
