Japon : Miisa 5 ny mpilalao avy any Seychelles handray anjara amin’ny « jeux olympiques »
Nanao fanambarana ny fikambanana’ny « jeux olympiques » sy ny Commonwealth des Seychelles ny 9 jolay lasa teo ny mikasika ny anaran’ireo mpilalao handray anjara amin’ny JO any Tokyo. Miisa 5 izy ireo raha ny nambarany. Hisy araka izany ny lalao na dia mampanahy ihany aza ny zava-misy manoloana izao valan’aretina izao ka hotontosaina ny 23 jolay hatramin’ny 8 aogosotra ho avy izao. Ferana ho 10 000 ny olona azo voriana mandritra izany. Raha ho an’ny Seychelles manokana izao dia miisa 5 ny mpilalao izay ahitana an’i Felicity Passon sy I Simon Bachman ao amin’ny taranja lomano; I Rodney Govinden amin’ny voile raha I Ned Azemia amin’ny athlétisme ; i Naintaina Finesse amin’ny taranja Judo. Miisa efatra kosa ny mpanazatra hiaraka amin’izy ireo mandritra izany.
