La Réunion: Maty ilay mpanatontosa malaza ao amin’ny televiziona, Marion Sarraut
I Marion Sarraut no isan’ireo vehivavy voalohany mpanantontosa amin’ny televiziona. Ny alin’ny 11 jolay hifoha 12 jolay izy no namoy ny teo amin’ny faha 82 taonany. Efa nanomboka tamin’ny taona 1960 izy no nanomboka niditra tao amin’ny sehatra raha mpilalao aloha no niatombohany. Efa nilalao sarimihetsika matetika izy toy ny tao amin’i François Truffaut, Jean Luc Godard, Eric Rohmer. Isan’ny nandray anjara tamin’ny famoronana ny « Cahiers du Cinéma » ihany koa ny tenany talohan’ny naha mpanatontosa an-televiziona azy. Efa miisa 150 izao ny fandaharana notontosainy ary indrindra ny fandaharana ho an’ny ankizy. Fanta-daza amin’ny fandaharana “l’île aux enfants, Les visiteurs du mercredi” ary indrindra ny “ Croque Vacances”. Efa nanatontosa « serie » amin’ny fahitalavitra ihany ko izy toy ny « une femme d’honneur, Père et maire, Famille d’accueil ». Isan’ireo fatra-piaro ny zon’ny vehivavy ihany koa i Marion Sarraut ary mpikambana amina fikambanana maro misahana izany.
