SocialTatitra

Maurice : Polisy nitory inspektera

Mpitandro filaminana iray 39 Taona no niampanga inspektera iray tamin’ny fanambarana natao tao amin’ny paositry ny polisy Rose-Hill ny Sabotsy 10 Avrily lasa teo. Nambarany nandritra izany fa nanaparitaka tsaho momba azy ity inspektera ity izay mety manimba ny ankohonany mihitsy. Nolazaina manko fa mpivarotra rongony izy ary nangalatra môtô mba hanaterana ny entana. Voatendry ho ao amin’ny National Security Service NSS ity polisy ity ary nafindra tao amin’ny biraon’ny Rose-Hill any Bamboss izy ka fantany fa ilay inspeketera izay misahana ny sampana Rose-Hill ao amin’ny NSS no nanaparitaka io tsaho momba azy io. . Fa tsy nijanona teo anefa ny raharaha, tao anatin’io fitoriana io ihany koa, nilaza ilay polisy fa ny zoma lasa teo, nendrikendrehan’ny zaodahiny ho nangalatra môtô ihany koa ity farany ary lazainy fa namitaka ny anabaviny koa aza. Naleon’ilay polisy nampitandrina ny polisy namany sisa nanoloana ny zava-nisy.

Laisser un commentaire