Djibouti : Mpifindra monina 34 maty nandritra ny fivadihana sambo
Mpifindra monina 34 no maty taorian’ny fivadihan’ny sambo nitondra azy ireo tao amin’ny ranomasin’i Djibouti, hoy ny mpiandraikitra ny fifindra-monina ny alatsinainy 12 aprily. Tranga faharoa niseho ity taorian’ny nahafatesana mpifindra monina miisa 20 tamin’io lalana io ihany, ny 4 martsa lasa teo. Ankizy ny ankamaroan’ireo maty ny alatsinainy 12 aprily ireo. Niainga teo Yémen ity sambo ity ary nitondra olona manodidina ny 60. Nenjehan’ireo mpiandry ny sisin-tany izy ireo raha ny fantatra. Ratsy ihany koa ny andro ka izay no tena nampivadika azy. Noraisin’ny ivon-toerana misahana ireo mpifindra monina ao Djibouti an-tanana avokoa ireo olona sisa velona tamin’ity loza an-dranomasina ity. Tsy vao sambany ny tranga toy izao fa efa mateti-pitranga amin’io toerana io. Eo ampitadiavana izay vahaolana maharitra manoloana izany ihany koa ireo tompon’andraikitra ao Djibouti.
