France : Hisy ny sora-tononona goavana eo amin’ny Champs-Elysées ny 4 jona izao
Hiova ho toeram-pianarana goavana ny lalan’ny Champs-Elysées ny 4 jona izao. Hantanterahana sora-tononona goavana io toerana io amin’io andro io, izay handraisana olona 1 700 isa anjara. Ny komity ny Champs-Élysées no namolavola io hetsika io izay mitondra ny lohahevitra hoe « Grande dictée des Champs ».
Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny hetsika. Atao ao amin’ny tranonkala-pifandraisan’ny lapan’ny tanànan’i Paris izany ary ireo mpankafia ny teny frantsay rehetra manomboka amin’ny 10 taona dia afaka mandray anjara amin’izany avokoa. Fisarihana kosa no hifantenana ireo 1 700 isa handray anjara amin’izany.
Nanasa ny Guinness book ny komity ny Champs-Élysées mba hirakitra ity hetsika ity ho sora-tononona goavana indrindra eran-tany. Ny tena tanjon’ny hetsika kosa nefa dia ny fampiroboroboana ny fahaizana tsipelina amin’ny alalan’ny fialam-boly sy fanairana ny fahalianan’ny olona.
