ActualitésTatitra

OTAN : Tafapetraka ny fangatahan’i Finlande sy Suède hiditra ao amin’ny vondrona

Tontosa omaly ny fametrahan’i Finlande sy Suède ny fangatahany hanatevin-daharana ny OTAN. Fotoana manan-tantara amin’ny fotoan-tsarotra ho an’ny fiarovan’ny OTAN izany fangatahana izany hoy ny sekretera jeneraliny Jens Stoltenberg, izay nandray ny fangatahana. Antenanina ny fifaranan’izany haingana hoy izy.Nisy kosa ny fifampidinihana teo amin’ireo mpiara-dia mba hanaisorana ny fanoheran’i Turquie ny fampidirana ireo firenena Nordique roa ireo ao amin’ny fikambanana. Io fanoherana io mantsy no mety hampikatso ny fifanarahan’ny « Conseil atlantique » izay dingana voalohany amin’ny fampidirana ireo firenena ireo. Marihina fa tsy maintsy manaiky ireo firenena mpikambana 30 vao ekena izany fandraisana firenena vaovao izany.

Laisser un commentaire