Asie du Sud : Mahafaty zava-manan’aina maro ny hafanana
Azo tsapain-tanana ankehitriny ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro. Nisedra fiakaran’ny hafanana goavana ny firenena tao Asie du Sud ny faran’ny herinandro sy ny fiandohan’ny herinandro teo. Tafiakatra +51°C ny hafanana tao Pakistan, +50°C tao Inde, +48°C tao Mexique ary +46°C tao Egypte.Anisan’ireo fiakaran’ny mari-pana ambony indrindra teo amin’ny tanteran’ireo firenena ireo io voarakitra io. Manahy ny amin’ny famatsian-drano ho an’ny fotoana ho avy amin’ireo toerana ireo ny ONU, ny amin’ny fampiakaram-bokatra ary ny amin’ny zava-manan’aina ihany koa. Toy ny afo nanodidina ny hafanana hoy i Shafi Mohammad, avy ao Jacobabad, nilaza izy fa vorona am-polony no nilatsaka teny am-panidinana noho ny hafanana.
