Ambohimanambola : Mitohy ny fampianarana ny taranja Basket-ball ao amin’ny NCAA
Mitohy ny fampianarana ny taranja ara-panatanjahan-tena basket-ball ao amin’ny klioba NCAA, Ambohimanambola, amin’izao fotoana izao. Ity sekoly fianarana ara-panatanjahan-tena ity izay mampianatra ireo ankizy lahy sy vavy 05 taona ka hatramin’ny 17 taona, liana na tia ny taranja basket-ball.
“Raha somary nangingina kely ny fampianarana basket-ball teo dia efa miverina mitohy indray izy amin’izao fotoana izao. Tsy miova ny toerana sy ny fotoana hampianarana fa eto amin’ny terrain basket Ampahimanga ihany. Isaky ny alarobia hariva amin’ny 02ora ka hatramin’ny 05ora sy sabotsy maraina manomboka amin’ny 06ora sy sasany ka hatramin’ny 09ora sy sasany no mianatra” hoy I Alain, tomponandraikitra ao amin’ny NCAA.
“Anisan’ny mampiavaka ny NCAA ny fananana mpanazatra efa manana traikefa ary efa nitondra ekipam-pirenena no mampianatra ao. Misy vahiny ihany koa mifampizara traikefa ato an-toerana. Izy efa fanta-daza ihany koa raha eto Avaradrano.” hoy hatrany ny fanazavana.
Mbola mandray sy manasa ireo ray amandreny izay tia hampianatra taranja hafa ankoatra ny any an-tsekoly moa ity klioba ity. Ary afaka manantona eny an-kianja amin’ny ora fanaovana ny fanazara-tena ireo izay liana amin’izany.
Manitra R.
