ActualitésTsidika

 Antananarivo : Hanaparitaka kopia fanamarinam-pahaterahana hanomanana ny fanadinam-panjakana.

Hanaparitaka kopia fanamarinam-pahaterahana (bulletins de naissance) miisa 6 000 ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manerana ny boriborin-tany miisa 6. Izany dia natao hahafahana manomana sahady ny fanadinam-panjakana izay ho atrehan’ireo mpianatra. Hisy ny servisy izay hatao hanamorana izany fisoratana anarana amin’ny faandinam-panjakana izany ;

« Ny bulletins de naissance dia taratasy iray tena ilaina ho amin’izany fanadinam-panjakana izany. Efa manomboka ny fisoratana anarana ka hahafahana manamora ny asan’ireo ray aman-dreny dia hametraka toerana iray hiasa manokana mahakasika ny fizarana izany ny Kaominina. Miisa 1000 issaky ny boriborin-tany ireo bulletins de naissance hozaraina maimaim-poana », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

« Tsara ilay fandraisana an-tanana. Manala ny fahasahirananay Ray aman-dReny ihany koa satria ny maka izany bulletins de naissance izany dia efa mandany adiny firy rehefa tonga eny amin’ny boriborin-tany. Ilainay ilay izy aloha satria ny ahy izao ny zanako ny iray haka CEPE ary ny iray haka BEPC amin’ity taona ity », hoy ity renim-pianakaviana iray.

Antsoina manokana ireo Ray aman-dReny sahirana sy manana zanaka haka fanadinam-panjakana hisitraka ity tetik’asa ity. Hifarana any amin’ny faran’ny volana martsa any izy ity izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fe-potoana fisoratana anarana amin’ny CEPE sy BEPC. Ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana Baccalauréat kosa dia mbola miandry ny daty izay ho avoakan’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire