Danemark : Olona an’arivony no nanohitra ny fanafoanana andro tsy fiasana iray ao an-toerana
Olona manodidina ny 40 000 na 50 000 isa teo avy amin’ny faritra maro ao Danemark no tonga nanao fihetsiketsehana teo alohan’ny parlemanta tao Copenhague. Antony ny fanoheran’izy ireo ny tetikasam-panjakana hanafoana andro tsy fiasana iray mba hamatsiana ny teti-bolan’ny fiarovana.
Raha ny fanazavana dia ny efa nikaon-doha niaraka ny havia sy ny havanana ny praiminisitra, Mette Frederiksen hanafoana ny « fête religieuse de Grande Journée de prière » izay nisy tao an-toerana efa hatramin’ny taonjato faha-17. Mikasa ny ampiasa ny vola miasa amin’izany hampiakarana ny teti-bolan’ny fiarovana izy ireo mba hanatratrana ny tanjon’ny OTAN dia 2% ny harin-karena faobe amin’ny taona 2030.
