Panama : Nolavin’ny fitsarana tampony ny fanekena ny fanambadian’olona mitovy fananahana
Notsipahan’ny fitsarana tampony tao Panama ny alarobia teo ny fangatahana fankatoavana ny fanambadian’olona mitovy fananahana tao an-toerana. Sady tsy tafiditra ao amin’ny sokajy ny zon’olombelona no tsy tafiditra ao amin’ny sokajy ny zo fototra izany raha ny voarakitra tao amin’ny didim-pitsarana navoakan’izy ireo.
Marihana fa efa hatramin’ny taona 2016 ny fitsarana tampony tao Panama no naharay fangatahan’olona mitovy fananahana maniry ny hatao raharaham-banambadiana saingy manohitra ny fehezan-dalàna momba ny fianakaviana izany raha ny fanazavan’izy ireo. Sokajian’ireo nanao ny fangatahana tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana nefa izany.
Manoloana izany dia nampiditra fangatahana ny mba hankatoavana ny fanambadian’izy ireo tontosaina any amin’ny firenena hafa indray ireo olona miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy ireo saingy mbola notsipahan’ny fitsarana ihany koa izany.
