ActualitésTsidika

Fantanjahantena: Misy ireo niverina ary misy ireo vaovao nantsoina handrafitra ny Barea CAN

Efa navoakan’ny Nicola Dupuis, mpanazatra ny Barea CAN ireo mpilalao izay handrafitra ny ekipa amin’ny fiadian-toerana ho amin’ny CAN 2023 izay hatao amin’ity volana martsa ity. Miisa 30 ireo mpilalao ireo ary ao anatin’izany ireo tranainy sy ireo mpilalao vaovao izay nantsoina.

“Naverina nantsoina indray ireo mpilalao sasany ary nampidirina ihany koa ireo mpilalao vaovao izay hita fa mamiratra. Raha tsy hitanisa fotsiny aho ho an’ireo tranainy dia misy an’I Thomas Fontaine, Anicet Abel… Etsy andaniny anefa ny eto an-toerana ihany koa dia manankarena manam-pahaizana ka nantsoiko izy ireo hanatevin-daharana ny ekipa toa an’i Koloina Razafindranaivo na I Rakool izay namiratra tokoa nandritra ny CHAN farany teo”, hoy I Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea A.

“Manohana ny ekipa hatrany izahay satria tianay ireo. Ny mpanazatra kosa anefa tokony handray ny hevitry ny olona sasany ihany satria mety mba misy mamiratra ihany ireny hevitr’olona ireny. Gaga kely ihany aho anefa satria nanantena hahita an’I Carolus kanefa izay no tapaka dia hatramin’ny farany ny fanohanana ireto ekipa ireto ho rehareha”, hoy i Hosana, mpankafu baolina kitra Malagasy.

Araka ny fantatra moa dia miisa 23 ihany ireo mpilalao ho voatazona hiatrika ireo lalao k any alatsinainy 6 martsa izao noho izany no hamantarana ny lisitry ireo voafantina farany. Ankoatra ireo mpilalao vaovao tafiditra aoa anatin’ny Barea A noho ny fahitana azy ireo nandritra ny CHAN dia ao ihany koa i Kenji Van Boto izay olona vaovao mihitsy mety hanampy handrafitra ny ekipa. Mankahery ny Barea A rehetra amin’ireo lalao roa miantaona izay ho atao amin’ity volana martsa ity.

Miora Raharisolo  

Laisser un commentaire