Ankadikely Ilafy : Hetsika fitiliana homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ao amin’ny CSB II
Misy ny hetsika fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, izay atao maimaim-poana, nanomboka omaly alakamisy ao amin’ny CSBII Ankadikely. Nanomboka omaly ny hetsika, ary mbola hitohy hatrany izany, izay hanaovan’ny kaominina fanentanana ireo vehivavy manomboka eo amin’ny 25 taona ka hatramin’ny 49 taona hiroso amin’ny fanaovana fitiliana izany aretina izany.
« Aretina misoko miadana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Tokony ho mailo ireo vehivavy, indrindra ireo izay manana havana efa nisy ny homamiadana, na ireo izay efa niteraka na manana olana amin’ny tranon-jaza mba hanao fitiliana. Anisan’ny misoroka ny aretina ny fanaoavana fitiliana mialoha, hahafantarana ny fahasalamana » hoy i Miarintsoa, renim-pianakaviana.
« Ilaina ny fanaovana fitiliana amin’ny aretina isan-karazany mba hahafahana mahafantatra ny toe-pahasalamana. Indrindra amin’izao fotoana iainantsika izao, efa maro ireo akora simika miparitaka miparitaka eny rehetra eny na amin’ny sakafo na amin’ny fitaovana, izay mety hitondra aretina maro, tsy fantatry ny olona akory » hoy i Dina, mpianatra ho mpitsabo.
Ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny manampy ireo vehivavy hahafantatra ny toe-pahasalamany ny fanaovana fitiliana ka tsy tokony hadinoina na atao ambanin-javatra. Aleo misoroka toa izay mitsabo.
Manitra Ramanantsoa
