Dépêches

Fampianarana ambony: Efa miditra amin’ny taom-pianarana 2022-2023 ny Oniversiten’Antananarivo.

Dépêche 21 octobre, 16h, Efa manomboka mianatra ireo mpianatra vaovao ho amin’ny taona 2022 – 2023, anisan’izany ireo ao amin’ny fakiolte “Lalàna sy siansa politika”. Noho ireo fahatarana tsapa teo amin’ireo mpianatra rehetra teo aloha teo dia niezaka ny Oniversite mba hampiditra ny mpianatra ara-potoana mba hialana amin’ny taona fotsy izay mampimenimenina ireo mpianatra. Eo am-panatanterahana ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2022-2023 ny mpianatra tranainy eo anivon’ny fakiolten’ny EGS. Miandry ny valin’ny fitsapam-pahaizana kosa ireo vao hianatra eny hoy ny tomponandraikitra eny an-toerana.

Laisser un commentaire