Nandriaka ny rà
02 Jona, 08h00. Fiara iray avy any andrefana hiazo an’Antananarivo no nanitsaka mpandroaka omby hamidy eto Imerintsiatosika. Maty teo noho eo ireo olona roa nandroaka ny omby raha toa ka maty ihany koa ny omby saika hamidy. Simba tanteraka ilay fiara taorian’ny loza.
