Ankadinandriana : Mazava ny tanàna
Mitohy hatrany ny fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny lalana, entina hanazavana ny tanàna ao Ankadinandriana. Nanampy ny teknisianina tamin’ny fametrahana izany mihitsy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Mazava ny tanàna ankehitriny. Misaotra an’ireo rehetra nanampy tamin’ny fahatontosan’izany. Mitohy hatrany ny fametrahana ny jiro amin’ny toerana hafa » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadinandriana, Malala Nandrandraina. « Tena mankasitraka indrindra amin’izao fanomezana fahazavana izao. Manampy amin’ny fanamafisana ny fandriam-pahelamana tokoa izany » hoy i Mino, mponina ao Ankadinandriana.
Tetik’asa atao amin’ny kaominina rehetra eto Avaradrano ity fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro any amin’ny toerana maizina kanefa be mpandalo ity. Paik’ady iray hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana.
Nicole Rafalimananjara
