Ambohimanga Rova : Tsara raha samy mailo amin’ny fiarovana ny biby fiompy
Nisehoana halatra kisoa indray teny Ambotry Ambohimanga Rova. Novonoin’ireo mpangalatra tao ambala ihany ilay kisoa, saingy nalaky taitra ny tompontrano.
« Teo ampibatana ny hena mihitsy ireo mpangalatra no taitra izahay. Nitsoaka nandositra avy hatrany ireo mpangalatra ka nifampitadiavana. Tsy tratra anefa. Ilay hena kisoa kosa najanony teo ary notsindromina fanafody » hoy ireo tompon-trano. « Tena mila mailomailo isika amin’izao amin’ny fiarovana ny fananana. Aoka samy hihainohaino hatrany rehefa alina. Tsy tokony hifampiandry fa samy miaro ny fananany mba tsy ahitan-doza » hoy i Tiana, mponina ao Ambohimanga Rova.
Miainga amintsika aloha ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny tenantsika sy ny fananantsika voalohany. Ilaina ny fifanampiana amin’ny mpitandro filaminana.
Hasina Rasamimanana
