ConseilTsidika

Lazan’ny farihy Antagnavo : Olona iray tanàna no niova ho voay

Misy ny tantara hoe niova voay daholo ny iray tanana, na zaza, na tanora, na olon-dehibe na ireo efa antitra. Faritra DIANA distrika Antsiranana faharoa, kaomina Anivorana avaratra farihy Antagnavo no misy azy ireo ankehitriny.

Tsy tongatonga ho azy akory ity tranga fiovana voay ity fa nisy antony sy tantarany manokana. Nisy lahy antitra iray nandalo tamin’io tanàna Anivorano avaratra io, nagetaheta ka nangataka rano ho sotroiny kanefa na rano iray sotrokely aza tsy nomen’olona azy. Rehefa tonga tany amin’io faran’io tanàna io ilay lahy antintra vao nisy vavy antitra iray nangoraka azy ka nanome rano hosotroiny. Nisaotra an’ilay vavy antitra izy ary naniraka an’ity farany mba hiala haingana amin’io tanàna io fa hanozona izy. « Ianareo rehetra mipetraka amin’ity tanàana ity, izay tsy nanome rano ho sotroiko, aoka hitoetra aminareo mandrakizay ny rano izay tsy nomenareo ahy », hoy ilay lahy antitra nanozona. Nanomboka nanorona mafy ny andro rehefa tonga ny arivariva ary tsy nijanona izany orana izay raha tsy efa difotra tanteraka ilay tanàna. Mazava ho azy fa dobo tao ny mponina rehetra tao Anivorano.

Lasa toerana manan-kasina ny toerana nitrangan’io zavatra io ankehitriny. Azo itsangatsanganana, azo agatahana izay iriana amin’io toerana io fa tsy azo atao kosa ny mandeha ao rehefa tsy nahazo lalana. Mila manao lambahoany kitamby, migoma, mitôkatôka rehefa hiantso an’ireo voay ireo.

Miavaka tsy mitovy amin’ny vavam-boay rehetra fa mitovitovy amin’ny vavan’olombelona ny vavam-boay miaina amin’io tanàna lasa farihy io. Mbola hita amin’ireto voay ny firavaka izay nanaovany tamin’izy mbola olombelona. Lasa manintona mpizahatany io farihy Antagnavo na « Lac sacré d’Antanavo » ankehitriny. Asa ianareo na mino na tsy mino.

Laisser un commentaire