ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Jiolahy miisa roa lavon’ny zandary nandritra ny fanafihana

Nitrangana asa ratsy, fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny faritra Ambohimena, fokontany Manazary, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny 02 janoary teo. jiolahy miisa roa no lavon’ny zandary nandritra izany, araka ny  voalaza.

“Jiolahy miisa roa no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana vokatry ny fanafihana mitam-basy tao amin’ny tokantrano iray teto amin’ny faritra Ambohimena, fokontany Manazary, ny 02 Janoary 2024, tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Jiolahy iray kosa no tafaporitsaka nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitandron’ny filaminana sy ireo jiolahy izay nampiasa ny basy teny ampelan-tanany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Hisaorana ny mpitandro filaminana manatanteraka ny asany. Tena ilaina ny fihetsika tahaka izao rehefa tafahoatra ny asan-jiolahy. Ny mponina ihany koa tena mijaly noho ny tsy fandriam-pahalamana ka ny tahaka izao dia tokony ahafay ireo olon-dratsy hafa ihany koa » hoy i Gervais, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Manao ny ezaka  hatrany ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ankadikely Ilafy, amin’ny fampandriana fahalemana  ny tanàna sy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tonga ara-potoana ireo mpitandro filaminana nandrava ny fikasan-dratsin’ireo jiolahy ka tsy misy atahorana ny fahasalaman’ireo tompon-trano. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana mahakasika ity raharaha ity.

Laisser un commentaire