SocialTatitra

Croatie : Zazavavy kely kambana roa teraka tamin’ny taona samihafa

Tranga tsy dia fahita loatra no niseho tao amin’ny toera-piterahana iray, tao amin’ny vohitry Split (atsimo) any Croatie, ny alin’ny faran’ny taona 2023 teo. zazavavy kely kambana roa no teraka tamin’ny taona tsy mitovy. Araka ny voalaza dia teraka tamin’ny alahady 31 desambra 2023, tamin’ny 11ora sy 59 minitra ny iray, raha toa kosa k any alatsinainy 01 janoary 2024 no teraka ny iray. Roa minitra no elanelan’ny nahaterahan’izy ireo.

Laisser un commentaire