Fahasalamana : Mila manaja ny fahadiovana ireo mpivarotra hani-masaka
Nanara-maso sy nijery teny ifotony ireo mpivarotra hani-masaka tany Ambatodrazaka ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Izany no natao dia ho fisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo amin’izao ankatoky ny fety izao.
« Betsaka ireo tonga any amin’ny hopitaly tratran’ny fanampoizinana ara-tsakafo amin’izao ka mba hisorohana iznay indrindra no nanaovanay izao fitsidihana ety an-tsehatra izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana. « Nampatsiahivina nandritra izao fitsidihana izao fa misy ny sazy mihatra avy hatrany amin’ny mpivarotra raha tratran’ny fanampoizinana ara-tsakafo ny mpanjifa iray ary zony feno mihitsy ny mametraka fitarainana raha tsy misy ny fanajana ny fahadiovana ara-pahasalamana ao amin’ny fivarotana iray » hoy kosa ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.
Ilaina tokoa ny fanajana ny fahadiovana amin’ireny fivarotana hani-masaka ireny, miantoka indrindra amin’ny fahsalamam-bahoaka mantsy izany ary miantoka indrindra ihany koa amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy afaka ny handroso mihitsy manko ny firenena iray raha toa ka marary sy tsy salama ny vahoaka ao aminy.
Nicole Rafalimananjara
