SocialTsidika

Covid-19 eto Madagasikara : An’iza ny andraikitra ?

Mihanaka tokoa ny COVID-19 eto amintsika amin’izao fotoana izao. Mihetsiketsika ny ministeran’ny fahasalamana amin’ny maha tompon’andraiki-panjakana voalohany azy ireo. 101 ny tranga vaovao ho amin’ny anio 16 Martsa izay teto Analamanga ny 60 tamin’izany. Entanina araka izany ny olona mba hanaja ireo fepetra sakana ary ho voasazy hanao asa ho an’ny tombotsoan’ny daholobe izay tratra tsy manaraka izany. Raha ho an’i Distrika Alaotra Mangoro manokana izao, nisy fivoriana ny 15 Martsa izay notarihan’ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, niarahana tamin’ny EMAR. Nanome toromarika mahakasika ny fomba fanatanterahana ny asa ny Tale, Docteur Fanova Andriatsimelo. Ho atao ihany koa ny « audit » any amin’ny « PhaGDis » eny anivon’ny distrika. Ary hisy peta-drindrina eny amin’ny Toeram-pitsaboana rehetra momba ireo lisitry ny Fanafody sy ny tolotra maimaim-poana. Izany no natao mba hahalalan’ny rehetra ny hetsika tokony ho ataony manoloana ny COVID-19; Hisy fizarana lay maimaim-poana ihany koa amin’ity taona ity. Mila jerena akaiky ny olana ara-pahasalamana mila vahana amin’izao valan’aretina izao. Tsy ampy fotsiny ny fanetanana eny amin’ny fiaraha-monina sy manerana ny haino vaky jery eny. Tompon’andraikitra ny fanjakana ary tompon’andraikitra ihany koa ny vahoaka manoloana ny fitombon’ireo mararin’ny COVID-19.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire