Lozam-pifamoivoizana : Mizaka ny mafy hatramin’ireo ankizikely mpianatra.
Tompon’andraikitra feno amin’ireo mpandeha ao aminy ny mpitatitra iray. Ka izany indrindra no tena tokony hitandreman’ireo mpamily mialoha sy mandritra ny fitondrana fiara. Tsy afa-miala amin’ny loza mahazo ny mpandehany izy araka izany ka misy manefa sazy mihitsy vokatry ny tsy fitandremana. Mila sorohina araka izany ny loza mba tsy hisian’ny loza fanampiny. Mampalahelo tokoa mantsy raha tahaka ity loza tany Ambatomirahavavy ity no miseho. Fiara mpitondra mpianatra kely iray no tratran’ny lozam-pifamoivoizana. Nikodiadia tany an-kady ity fiara ity ka tafavoaka tety ivelan’ny fiara ny ankizy iray nandritry ny loza ka maty voatsindry. Betsaka ny zaza naratra satria enina be izao ary roa hatreto no maty vokatr’ity loza ity. Mpianatra avy ao amin’ny sekoly “Le bon Berger” Malaza Fenoarivo ireto tra-doza ireto izay voalaza fa hitodi-doha ho aty Antananarivo. Efa nahazo fitsaboana haingana ao amin’ny CSB-II Ambatomirahavavy ireto naratra, raha ilay mpamily kosa manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA sady atao andri-maso. Mampalahelo tokoa ny tahak aizao satria lasibatra hatramin’ireo zaza tsy manan-tsiny vokatry ny tsy fitandremana eo am-pamiliana. Ankizy no nentina kanefa mbola mandeh amafy ihany, ny lalana ihany kao anefa mampatahotra. Tsy fahaizana mifehy ny lalàn’ny fifamoivoizana amin’ireo hafainganam-pandeha ve ? Inona no vahaolana amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao ?
Nicole Rafalimananjara
