ActualitésTsidika

Rainilaiarivony : Ny tantaran’ny rantsantanany roa notapahina

Rainilaiarivony, iza moa no tsy mahalala azy ? Praminisitra tamin’ny andron’ny faha mpanjaka ny tenany. Izy no mpitondra ela indrindra teto Madagasikara izay naharitra 30 taona mahery. Nahagaga ny maro ny fahatapahana teo amin’ireo rantsan-tanany (phalange) miisa roa. Ahafahana mitana ny soa ho an’ny fianakaviany anefa no tena antony lehibe nanapahana izany.

« Tamin’izany fotoana izany dia mbola mijery andro ny olona ary tena manaiky ny herin’izany sy ny fahamarinany. Noheverina ho andro ratsy tsy mety ho an’ny fianakaviana io andro nahaterahan-dRainilaiarivony io ka tokony hovonoina izy. Araka izany dia narian’ny Ray aman-dReniny izy vao teraka iray volana monja ka notapahana ny rantsany roa dia ny fanondro sy ny fanondro adala havia, ahafahana manapaka izany anjara ratsy ho an’ny fianakaviana izany », hoy ireo mpahay tantara.

Na dia aza anefa izany rehetra izany dia afaka nitondra zavatra tsara teto amin’ny Firenena ihany ny tenany satria nisy ireo mpikambana tao amin’ny fianakaviana nanavotra sy nitaiza azy.

« Olona nanam-pahaizana izy na hatramin’ny mbola kely aza. Mora nandray sy mora nampianarina izy ka afaka nampianatra ny tenany tamin’ny alalan’ny fahafahany irery ihany koa na dia teo aza ny fikatonan’ireo tooeram-pianarana sy ny fialan’ireo olona nitaiza azy tamin’ny fikarakarana azy. Vao 14 taona monja izy dia efa nikatra teo amin’ny fitondrana mahefa noho ireo fihafiana sy fahaizana maro be nananany izay nampalaza azy. Ny tena antony nilofosany tamin’izany dia hanitsy ny fisainan’ireo Ray aman-dReniny izay nanary azy, ary azo lazaina ho nahomby izany ho an’ny Firenena irazy manontolo », hoy hatrany ireo mpamakafaka ny tantara.

Ity Rainilaiarivony ity no nanafaka ny fivarotana andevo ary nanavotra ireo andevo Mozambikana, izay lasa mpanompon’ny vadiny rehefa avy eo. Noravainy ny fitondrana ny firenena voatokana ho an’ny saranga voafetra ary nahenany ihany koa ireo izay voairaka hanao asa miramila any amin’ny firenen-kafa. Izany rehetra izany izay anisan’ny nitondra an’ny Madagasikara ho amin’ny fahaleovan-tenany. Izany indrindra no antony nananganana ny trano fonenany eny Amboditsiry ho lasa musée, izay vao notokanana vao tsy ela, ka azon’ny rehetra tsidihina.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire