ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Tra-tehaka ny vehivavy karana mpisoloky ireo cash-point

Vehivavy ireo tera-tany karana no tra-tehaka teny amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, tamin’ny faran’ny herinandro teo rehefa nisoloky sy nitety ireo cash teny Sabotsy Namehana sy ny manodidina. Araka ny voalaza, ny andro talohan’io nahatratrana azy io no efa nahatsikaritra ny fihetsiny ireo mpitazona cash point fa mitety maka vola amin’ny alalan’ny mobile money teny amin’ny cash point manerana an’Avaradrano izy, izay nanomboka teny Ankadikely Ilafy izany.

« Efa maro ireo voasoloky nametraka fitoriana ity vehivavy ity. Ny nataony moa dia mandefa hafatra toa ireo ataon’ny tambazotram-pifandraisana ireny mihitsy. Rehefa nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny tompona cash point rehetra tety amin’ny manodidina dia hita tokoa ny asa ratsy nataon’ity vehivavy ity » hoy i Njara, mpitantana cash point.

« Mila ezaka ary manantena ny mpitandro ny filaminana mba hanao ny asany ara-drariny amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny sazy famaizana manoloana ny asa ratsy toa izao » hoy ireo avy amin ‘ny vondrona mpitantana cash point.

Miseho amin’ny endriny maro ny asa fisolokiana amin’izao fotoana izao ary tsy mifidy saranga, tsy mifidy taona tokoa, toa ity vehivavy tera-tany karana ity. Mendrika sazy enjana ary tokony handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ny fampiharana ny lalàna manoloana izao mba hisorohana ny fiverenan’ny asa ratsiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire