Iran : Nanomboka namokatra « uranium enrichi » hatramin’ny 60% ny firenena
Nanamafy ny AIEA (Agence internationale de l’énergie atomique) fa nanomboka namokatra « uranium enrichi à 60% » i Iran ao amin’ny ozinina ao Fordo. Marihana fa efa nanomboka ny volana aprily 2021 i Téhéran no namokatra izany tao Natanz ary manakaiky ny 90% ny famokarana izay efa ahafahana mamokatra baomba atomika.
Nihoatra lavitrin’ny fifanarahana nosoniavin’i Iran tamin’ireo firenena matanjaka tamin’ny 2015 io famokarana io. Raha 3,67% no taha napetraka tamin’izany dia mahatratra hatramin’ny 60% ny famokaran’i Iran. Nananiky nanakatona io ozinina tao Fordo io nefa ny firenena tamin’izany saingy naveriny naodina indray izany ny taona 2019.
Miahiahy ny amin’io famokarana goavan’i Iran « uranium enrichi » sy ny fandrosoan’ny noklearin’ny firenena io ireo firenena matanjaka arak’i John Kirby, mpitondra tenin’i Etats-Unis.
