Maurice : Kandida amin’ny « Césars du Voyage Responsable » ny tanan’i Bel Ombre
Hetsika karakarain’ny Tourmag, orinasa be mpanantona indrindra amin’ny fizahantany B to B ny « Césars du Voyage Responsable ». Andiany voalohany io hetsika io ary tanjon’ireo mpikarakara ny fanehoana ireo matihanina maneho ny fanavaozan’ny fizahantany. Maro ny sokajy amin’io fifaninana io : « hébergement, information et formation, loisir, maritime, start-up, territoire et destination, voaygiste».
Kandida amin’io fifaninana io ny tanan’i Bel Ombre izay toerana mantihanina eo amin’ny sehatrin’ny fizahantany ao amin’ny nosy Maurice. Ao amin’ny sokajy « territoire et destination » no misy azy ireo, marihana fa manana faritra arovana 2 500 hektara io toerana io, manana valan-javaboahary 1 arovan’ny Unesco Man & Biosphère, manao ara-tontolo iainana, manana trano fandraisana mpitsidika kanto maro sy manan-tantara,…
Mpitsara matihanina 16 misehatra amin’ny fizahantany kosa no hisafidy izay mpandresy amin’io fifaninana io.
