ActualitésTsidika

Anjeva : Ho tanterahina rahampitso ny lalao famaranana amin’ny Coupe du maire 2022

Rahampitso sabotsy famaranana ny taona 2022 no hanatanterahana ny lalao famaranana amin’ny baolina kitra, fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2022, ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Ho tanterahina amin’io avokoa na ny lalao famaranana ho an’ny sokajy vehivavy na ny sokajy lehilahy.

« Ny sokajy vehivavy no hanomboka ny lalao rahampitso, izay hanomboka amin’ny 12ora atoandro. Ny ekipan’ny FC Famille avy eny Mangarano sy ny 4FL Lambomanana no hifanandrina mandritra izany. Ondry matavy no loka ho azon’ny mpandresy » hoy ireo tompon’andraikitra mpikarakara.

« Amin’ny 2ora tolak’andro kosa no hanomboka ny lalao ho an’ny sokajy lehilahy, izay hifandonan’ny FC Salazana avy eto Anjeva sy ny Interpool Anjeva ihany koa. Coupe omby ho an’ny laharana voalohany io ary vola mitentina 200 000 ar ho an’ny faharoa » hoy hatrany ireo mpikarakara.

Ao amin’ny kianja Salazana Anjeva gara moa no hanatanterahana ity lalao ity ; hanentanana ny rehetra ho tonga maro hanohanana ny ekipa tsirairay avy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika famaranana ny taona ao amin’ny kaominina moa ity lalao ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire