La Réunion : Miova ny vidin’ny solika manomboka ny taona 1 janoary 2023
Nihena ny vidin’ny solika eran-tany tamin’ity volana desambra ity. Nihena – 12,74 % izany ho an’ny « sans-plomb » raha nilatsaka -14,79% kosa ny « gazole ». Nampihena ny vidin’ny solika – 9 sy – 13 centimes izany. Ny « cotation » ny entona kosa nefa dia mbola miakatra ary nisondrotra hatramin’ny 650 $/TM na + 6,56 % kosa ny « butane » sy ny « propane ».
Manoloana ny fiovana maro samihafa toy ny fampitomboan’i Chine ny fanafarany solika ao Amérique sy ny fihenanan’ny fanafarana ao Asie manoloana ny fiadanan’ny toekarena ary ny saram-pandefasana ny solika niakatra +32,5% miaraka amin’ny « cotation » isam-bolana dia heverina fa hiakatra 2 centimes ny vidin’ny solika amin’ny volana janoary izao hoy ny tompon’andraikitra. Averina tombana manomboka ny CEE (certificats d’économie d’énergie) ao La Réunion noho izany.
