Etats-Unis : Raim-pianakaviana iray nikasa hamono ny zanany
Nisehoana tranga nampalaelo tao Running Springs, Californie ny 25 oktobra teo. Lehilahy iray antsoina hoe Timothy Ryan Shipman, 42 taona no nandeha fiara niaraka tamin’ny zanany roa tao amin’ny dobon’i Pali Mountain. Rehefa tonga tao an-toerana dia noseporin’ilay raim-pianakaviana tao anatin’ny rano ny zanany vavy 2 taona ary nidiny tao anaty fiara kosa ny zanany lahy 5 taona.
Tompon’andraikitrin’ny tobin’ny tanora teo akaikin’ny toerana no nahita ny tranga ary niantso ny manam-pahefana. Nosamboriana avy hatrany ilay raim-pianakaviana ary nentin’ireo tompon’andraikitra tany amin’ny hopitaly ireo zaza talohan’ny namerenana azy tany amin’ny reniny.
Voapanga nohon’ny fikasana namono olona kosa i Timothy Ryan Shipman, naiditra am-ponja vonjimaika ary 1 tapitrisa dolara ny sandan’ny fahazoany fahafahana vonjimaika.
